Variant Delta : Ho mafy ho an’i Afrika ny hiatrika azy hoy ny OMS
Raha ny zava-misy amin’izao fotoana ary raha Madagasikara manokana no jerena, azo lazaina fa efa nandresy ilay andiany faharoa tamin’ity valanaretina ity ny tany sy ny firenena. Na dia maro aza ireo lavo sy resy an’ady, tsy vitsy kosa ireo nivoaka mpandresy manoloana ny ady natao tamin’iny fahavalo tsy hita maso nandripaka iny.
Mitohy anefa ny ady ary araka ny nambaran’ny OMS aza, vao maika ho mafy sy aharitra kokoa noho ny teo aloha aza. Firenena 85 maneran-tany no efa ahitana ity tranga vaovao Variant Delta ity ary sady mahery vaika izy no haingam-pifindra. Maro ireo firenena efa niala tao anatin’ny fihibohana no niverina indray noho ny fahitana trangan’ity toy ny Australie, Portugal, Afrique du Sud ary Royaume-Uni.
Efa ahittana trana ihany koa anefa ao Frantsa sy La Réunion ary Seychelles. Ireo firenena sy efa vita vaksiny aza efa manakaton-trano amin’ny firenena hafa noho ity tra-ga vaovao mahery vaika ity, fa ny eto Madagasikara kosa hatreto mbola samy tsy taitra na ny vahoaka na ny mpitondra. Araka ny fanamvaran’ny OMS hatrany anefa, aharitra 3 hatramin’ny 5 taona ity andiany fahatelo ity vao ho resy ha vantany vao tafiditra amin’ny firenena iray. Miandry ny fandraisan’andraikitry ny fitondram-panjakana indray ary inoana tsy ho tara loatra izany.
Ally Herisoananahary
