SportTsidika

Mitohy ny fifanitsanana « Telma coupe de Mada »

Hontanterahina ao amin’ny kianjan’ny Fandriana ny ny lalao baolina kitra miisa 5 ao anatin’ny savaranonando hiadiana ny amboaran’i Madagasikara « Telma coupe de Madagascar ». Hifanandrinan’ny ekipan’ny ligin’Amoron’i Mania izany ka hiaonan’ny FC Arson sy ny FC Zandrigasy izany ary ny FC Global sy ny FFAM.  

Ho an’ny klioban’i Boeny kosa dia ny FCO sy ny FC Smile Sofia no hifandona, miaraka amin’ny AJSA Eden Sport sy ny Speed Star ary  Sporting sy ny JTM izay tanterahina ao amin’ny kianja Rabemanajara Boeny avokoa.

Raha tsiahivina dia ny herinandro lasa teo no nanatanterahina ny lalao miisa 25. Nanamarika izany ny fahalaviran’ny isa 10 no ho 0 teo amin’ny Cosfam Analamanga (10) sy ny FC Andriafo Analmanga (0). Nirindra tsara kosa ireo lalao hafa sasany teo amin’ny 2 no ho 0 sy 1 noho 0 teo avokoa ny salan’isa.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire