ConseilTsidika

Torohevitra : Fanalana kentrona amin’ny tarehy

Raha ny tokony ho izy dia manomboka 50 taona eo no eo no miseho ny ketrona amin’ny tarehy. Amin’izao fotana anefa dia tsy mifidy taona izany, fa rehefa reraka ny vatana sy ny saina dia mivoaka ho azy ny ketrona. Eo amin’ny faritry ny maso sy ny handrina no tena ahitana izany ketrona izany, ary somary mandratsy fijery izany raha mbola olona vao erotrerony dia efa ahitana ketrona sahady.

Misy fomba maromaro natoraly ireto, atoro anao raha te hanala izany ketrona izany. Marihina fa torohevitra ihany izy ireto ka anjaranao ny misafidy izay mety aminao sy takatry ny fahefa-mividy ao aminao. Raha vao resaka tarehy moa dia tsara hatrany ny mampiasa akora natoraly satria malefaka ny hoditry ny tarehy ka tsy dia mahazaka zavatra simika loatra.

Ny tsotra indrindra dia ny fanafangaroana vovoka tamotamo sy voasary makirana ary ahosotra eo amin’ilay ketrona izany mandritra ny 30 minitra avy eo kobanina izay azo atao na amin’ny rano matimaty na amin’ny rano mangatsiaka. Toy izany ihany koa ny vaseline sy ny vahona izay afangaro, dia toy ny teo ambony ihany ny fampiasana azy. Ny farany izay somary mila akora mihoatra kely dia ny vovoka vary fotsy, vovoka graine de lin, menaka coco. Ampangotrahana 10 mn ilay graine de lin dia avy eo tatavanina ilay ranony, ilay ranony no ampiasaina atao anatin ilay vovoka vary fotsy dia afangaro tsara ary asiana menaka coco avy eo, ahosotra amin’ilay miketrona dia avela eo 30 mn dia sasaina indray avy eo.

Samy manana ny hanitra ho azy ireo fa anjaran’ny tsirairay ny misafidy izay mety aminy, saingy kosa ilaina atao isan’andro ity fihetsika ity mandrapahafak’ilay ketrona. Manampy izany ihany koa ny fananana tava miramirana sy mitsikitsiky lalandava izay mahaela ny ketrona sady manampy amin’ny fahasalamana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire