Miaramila sy polisy nampisahotaka olona teny Ambohijatovo
Saika raikitra ny korotana teny Ambohijatovo ny harivan’ny 19 aogositra lasa teo satria nifandonba ny miaramila sy ny polisy. Fa inona niseho? Nisy miaramila tsy manao fanamiana, voalaza fa mamo, nanadala olona teo amin’ny toeram-piandrasana taksibe. « Tsapatsapin’ilay miaramila ny fitombenan’ilay vehivavy ka avy hatrany izahay dia niantso polisy » hoy ireo nanatri-maso.
Tsy nisy namantarana ny maha miaramila azy aloha fa avy hatrany dia nosamboriny izy saingy nanohitra sy namely ny polisy. « Nanohitra sy nanangan-tsandry ity lehilahy ity ary nandaka mihitsy izy no tonga avy any ny miaramila namany nilaza fa miaramila ity lehilahy mamo sy nanakorotana olona ity » hoy ny polisy. Samy tsy nisy nanaiky izy rieo fa feno hatezerana avokoa na ny an-daniny na ny an-kilany ary samy namokona totohondry. « Izahay efa miandry fotsiny izay niseho kanjo lasa ireo miaramila satri atonga ny lehiben’ny polisy sy ny FIP » hoy i Germaine, mpivarotra teny amin’ny manodidina.
Ireo lazaina fa mpampandry ny filaminana eto amin’ny firenena indray no mitondra korotana jeren’ireo vahoaka. Mizotra mankaiza isika izao ?
Nicole Rafalimananjara
