Vita ny famindran-toerana teo amin’ny mpitantana ankapobeny ny asa stratejika teo anivon’ny Zandarimaria
Tontosa ny 20 Aogositra lasa teo ny famindram-pahefana teo amin’ny Jeneraly Rabehajasoa Andrianaivo, mpandrindra ankapobeny ny asa ara-stratejika eo anivon’ny Sekretariam’panjakana miadidy ny zandarimaria teo aloha (COGAS sortant) sy ny Jeneraly Rakotobe Christian izay misolo toerana azy (CAOGAS entrant), izany natao tao amin’ny toby Fort Duchesnes. Tao anaty firahalahiana tanteraka no nanantanterahana izany fotoana izany, izay notronin’ireo manam-boninahitra jeneraly sy manam-boninahitra ambony Tale jeneraly (DGSR) sy Tale rehetra eo ambany fitantanan’ny COGAS.
« Antenaina fa hirindra tsara amin’ny ankapobeny ny asa ara-stratejika eo anivon’ny Zandarimaria aorian’izao famindran-toerana izao” hoy ny avy eo anivonn’ny Zandarimariam-pirenena. “Ny fiovana dia midika ho fidirana amin’ny tsaratsara kokoa ary hafa mihitsy ilay fanovana fomba fiasa fa tsy hoe ratsy akory ny teo aloha » hoy i Florence, mpanara-baovao. “Manome toky fa hanao ny asa sy hanatsara ny asa efa nataon’ireo izay teo aloha ny tenako ary hitondra avo ny firenena ka hanatratra ny tanjona iraisana ary misaotra sahady tamin’ny fametrahana ny fahatokisana” hoy ny Jeneraly, Rakotobe Christian. Ny Jeneraly Mpandrindra ankapobeny teo aloha dia nitondra ny teny fisaorana ho an’ny mpiara-miasa rehetra izay nanao ezaka tokoa nandritra izay roa taona sy tapany niraha-niasa izay.
Antenaina tokoa ny ho firindran’ny asa eo anivon’ny Zandarimaria izay antoky ny filaminam-bahoaka sy ny fandrosoan’ny firenena. Tsy vitan’olon-drery ny fampandrosoana ny firenena fa isika rehetra no ilaina hiara-hisalahy ho amin’izany.
Nicole Rafalimananjara
