SocialTsidika

Mananosarotra ho an’ny mpianatra avy any amin’ny faritra ny fianarana eto andrenivohitra

Betsaka ireo tanora avy any amin’ny faritra no mandrato fianarana eto Antananarivo aorian’ny fahafahana ny fanadinana Bakalôrea. Mananosarotra ny fianarana eto Andrenivohitra hoy ireo mpianatra.

« Maro ny fahasahiranana miatra aminay amin’ny andavanandro na dia tsy andoavam-bola ny aza ny trano fonenana satria na ny sakafo sy ny vola ilaina amin’ny fianarana dia tsy maintsy entohana avokoa satria tsy mahasehaka ny fandaniana ny vatsim-pianarana » hoy i Elodie, mpianatra avy any amin’ny faritra Analanjirofo mandrato fianarana eny Ankatso. « Mbola mahazo tombony aza ny mpianatra mahazo “cité” rehefa mipetraka ka izany no tena ilaina ny fidirana ao anatin’ny fikambanan’ny mpianatra mba hitsinjovana indrindra ny avy any amin’ny faritra mianatra ety amin’ny anjerimanontolo » hoy ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra.

« Na dia efa misy Oniversite aza manerana ny faritany eto Madagasikara dia tian’ny ankizy kokoa ny mianatra aty andrenivohitra, ilaina tokoa mantsy ny mba miova tontolo kely » hoy i Andrianavalona, manam-pahaizana mikasika ny saina.

Fa inona tokoa no tena mahaliana ny ankizy hianatra aty an-drenivohitra ? Tsy mitovy ve ny lentan’ny fahaizana manerana ny Oniversite ? Ireo izay tsy manana fahafahana hampianatra ny zanany aty andrenivohitra no mijanona any amin’ny faritra misy azy satria nasiana ny oniversite mba hanamora ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire