Ankizikely nanendaka teny Behoririka
15 Septambra, 09h15. Vehivavy iray nandeha moto no voahendaka teny Behoririka. Nitohana ny fifamoivoizana ary teo no nanararaotan’ireto ankizy nisontomana ny fehintanana volafotsy teny aminy. Manodidina ny 13 teo ho eo ireo ankizy mpanendaka ireo. Noho ny hanoanana ve no nahatonga azy ireo hanao izany?
