Cuba : José Raúl Capablanca, isan’ireo mpilalao « échecs » sangany
Teraka ny 19 novambra 1888 tao La Havana, Cuba i José Raúl Capablanca y Graupera ary maty ny 8 martsa 1942 tao Harlem. Mpilalao « jeu d’échecs » sangany ny tenany, ary « kely mahay » izay naharesy ny tompondakan’i Cuba teo amin’ny faha-13 taonany.
Efa-taona monja i José Raúl Capablanca no nanomboka nilalao « échecs », ary raha ny tantara dia nijery ny rainy sy ny namany nilalao fotsiny dia nahaizany ny fepetra nifehy izany. Tompondaka iraisam-pirenen’ny taranja kosa izy tamin’ny taona 1921 hatramin’ny 1927. Nalaza tamin’ny fahazavan’ny lalaony nanakorontana ny fifantohan’ny mpifaninana taminy sy ny fahaizany milalao ny famaranana i José Raúl Capablanca.
