ActualitésTatitra

Allemagne : Vehivavy iray nitsatok’antsi in-50 ny « sosie »-ny

Olona maromaro ny niantso ny manam-pahefana ny 16 aogositra 2022 teo rehefa nahita fatim-behivavy iray tao anaty fiara Mercedes nijanona teo amin’ny sisin’ arabe iray tao Ingolstadt. Vehivavy iray antsoina hoe Shahraban, 23 taona izay voalaza fa tsy hita nanomboka ny 10 aogositra tao Munich no tompon’io fiara io.

Nantsoina avy hatrany no ny ray aman-drenin’ny tompon’ny fiara namantatra ny razana izay marihana fa voatsatok’antsy in-50. Rehefa natao nefa ny « test ADN » dia fantatra fa vehivavy antsoina hoe Khadidja, 23 ihany koa avy ao Heilbronn io hita faty tao naty fiara io. Nitovy tanteraka ny endrik’izy roa vavy ka na ireo ray aman-drenin’i Shahraban aza tsy nahay nanavaka azy ireo.

Ny 19 aogositra no voasambotra i Shahraban niaraka tamin’ny lehilahy iray antsoina hoe Sheqir, 23 taona izay voarohirohy niray tsikombakomba taminy. Rehefa natao ny fanadihadiana dia nilaza i Shahraban fa niantso vehivavy maromaro nitovy endrika taminy tamin’ny tambajotra sosialy izy. Rehefa nahasarika an’i Khadidja ny takalon’izany dia nihoana tamin’i Shahraban sy Sheqir saingy novonoin’izy ireo tany an’ala ary nataony tao anatin’ny fiara.

Raha ny fantatra kosa dia nikasa nitsoaka disadisa samihafa i Shahraban ka nisandoka ho maty tamin’ny alalan’i Khadidja.

Laisser un commentaire