Ankazomanga : Manao ny asa rehetra momba ny patisserie ny Chocomiel
Tompon’ny Chocomiel eny Ankazomanga i Madame Sandy. Betsaka ny lalana nolalovany vao tonga tamin’ny tanjony izy. Hatramin’ny fahakeliny no tia manao sakafo izy. Nianatra manokana momba ny Patisserie izy mba hanatanterahany ny nofinofiny sy ho lasa matihanina. Rehefa vita ny fianarany dia niasa tamin’ny restaurant sy fivarotana mofomamy maromaro izy. Mbola nijery fitantanana orinasa sy nanangona fitaovana izay vao nanangana ny orinasany manokana.
Misokatra amin’ny 7 ora maraina ny Chocomiel, ary mihidy amin’ny 9 ora alina. Mivarotra pain au chocolat, pain au raisin, cake, sandwitch, mille feuilles, sablé, tarte, sambos. Misy hanitra maro isankaranay azo hisafidihanana ny mofomamy. Mandray commande mofomany koa izy, na tsingerintaona na fanambadiana. Mbola manofa trano anefa izy. Rehefa hitany tompontrano fa mande ny asa dia esoriny amin’ny trano. Mitady toerana vaovao indray izy ary manazatra olona. Ny laharana ahazoana azy 0 34 16 177 08 na 032 37 730 91.
