ActualitésSportTsidika

Avaradrano: Rahampitso ny lalao famaranana ny “tournoi Inter-communal Basket-Ball”

Tonga amin’ny dingana famaranana ny lalao ara-panatanjahan-tena izay karakarain’ny distrika Avaradrano. Rahampisto sabotsy 07 Oktobra no hanatanterahana ny lalao famaranana ny tournoi inter-communal eo amin’ny taranja Basket-ball. Etsy amin’ny kianja mitafo Andralanitra no hanatanterahana ny lalao, araka ny voalaza.

“Hanomboka amin’ny 01 ora tolakandro ny lalao rahampitso. Ny sokajy vehivavy no hanomboka azy, izay hifandonan’ny ekipan’Ankadikely sy Ambohimangakely. amin’ny 03ora sy sasany koa no hanomboka ny lalao eo amin’ny sokajy lehilahy, hihaonan’ny Alasora sy Sabotsy Namehana” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra mpikarakara.

“Manasa ny rehetra ho avy hanohana ny ekipantsika tsirairay avy amin’ny sabotsy izao. Efa famaranana izy io ary ireo ekipa tsirairay dia tena mila fanohanana sy fankaherezana avy amintsika, hiaro ny voninahitry ny kaominina niaviany izy ka mendrika tohana hatrany ireo ezaka vitany” hoy hatrany ny tomponandraikitra.

Ao anatin’ny ezaka ataon’ny avy ao amin’ny distrika Avaradrano ny fanomezan-danja ny tanora sy ny fanatanjahan-tena. Izany indrindra ihany koa no tanjona ao anatin’izao fifaninanana izao. Eo amin’ny taranja baolina kitra ihany koa moa dia miditra amin’ny lalao famaranana, izay mbola ho lazaina miandalana ny fandaharam-potoana amin’izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire