ActualitésTsidika

Misy lolo tokoa ve ny rano?

Tranga fahita tato ho ato ny hoe maty an-drano indrindra any amin’iny faritra Mahajanga iny. Mipetraka ny fanontanian’ny besinimaro hoe « misy lolo tokoa ve ny rano ? » hany ka maka izay tiany izy.

« Finoanoam-poana izany, tsy misy lolo izany, tsy misy toerana fady izany fa efa kolontsaina moa ilay izy dia sarotra ny manova azy, fa ny misy dia tsy voafehy ny rano ka mety sempotra ohatra ilay olona » hoy i Mahery, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. « Mananjina ny rano satria taloha dia navalan-drano ny fatin’ny mpanjaka taloha ka izay faty tamin’iny mpanjaka iny no fady amin’ilay rano hany ka raha misy manota fady dia fahafatesana no tambiny satria namadika » hoy ny olobe iray mpandala ny fomban-drazana. « Izaho aloha tsy mahalala izay misy marina fa manaja ny fomban-tany fotsiny aho mba hifanajana eo amin’ny vahiny sy ny tompon-toerana » hoy i Faly, raim-pianakaviana. Kolontsaina tokoa io, ary isika na iray aza eto Madagasikara dia samy manana ny kolontsaina, rehefa napetraka ho afdy araka izany dia tokony hankatoavina sy hajaina foana mba tsy hisian’ny ady. Tsy resaka finoana akory fa fifanajana eo amintsika samy isika ny fanajana ny toerana iray izay lazaina fa fady. Misy milaza fa manana hery miafina ny rano ka tsy azo otaina fady, koa aoka hanaraka hatrany ny fifandaminana indrindra isika mpitsidika ny ranomasina. Fantaro mialoha àry ny toerana ho aleha mba mora hamanatarana ireo fomban-tany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire