Tsy nanaiky ny didim-pitsarana i Raharinirina Clémence
18 Aogositra, 08:30. Nivoaka ny 17 aogositra teo ny didim-pitsarana mikasika ny raharaha Raharinirina Clémence sy ny Ben’ny tanàna an’Antananarivo. Raha 10 000 000 Ar ny onitra nangatahan’i Andriatsitohaina Naina dia 540 000Ar sy lamandy 1 000 000Ar kosa no nomen’ny fitsarana. « Tsy tokony hahazo izany anefa aho » hoy i Clémence ka hampiakatra ny raharaha indray. Nilaza ny hampanjaka hatrany ny rariny sy ny hitsiny ny tenany.
