RN34 : Fiara sprinter niharan-doza, olona roa maty, 20 maratra mafy
Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray teny amin’ny lalam-pirenena faha-34 mampitohy an’Antsirabe sy Miandrivazo ny alatsinainy 16 Aogositra 2021 maraina. Taxi-brousse Sprinter iray mampitohy an’ Antsirabe sy Ambatakazo no niharan-doza. Araka ny tatitra voaray, olona roa no maty ary 20 ireo maratra mafy.
Zazavavy kely 11 taona mipetraka any Ambodifiakarana Vinany sy lehilahy iray 41 taona mipetraka Ambalavola Vinany ireto olona maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana ireto. Araka ny vaovao nampitain’ny avy amin’ny zandarimaria nasionaly ao Ankazomiriotra, tany amin’ny fito ora maraina no nitrangan’ny loza teo amin’ny PK81+100, hiakatra any Antsahatanteraka Vinany. Tonga avy hatrany nanao ny tatitra sy ny fanadihadiahana izy ireo. Raha ny fanazavana azo, raha iny nandeha mafy ity fiara Mercedes Sprinter ity no vaky ny kodiarana afarany ka tsy voafehin’ny mpamily intsony ny fitondrana azy ka nahasimba tanteraka ity farany. Araka ny vaovao azo tamin’ireo mpanadihady teny an-toerana, tsy fitandremana avy amin’ny mpamily sy tsy fahatomombanana ara-mekanika ny fiara no fototry ity loza ity.
Nahitana fahasimbana be ilay fiara Sprinter, rava tanteraka ny tapany aloha, simba ihany koa ny tafon’ilay fiara, vaky avokoa ireo fitaratra ary niala tanteraka ny varavarava afovoan’ity Mercedes Spinter ity. Nanahirana ireo olona tonga namonjy ireo traboina ny famoahana azy ireo tao anatin’ilay fiara izay potika tanteraka. Ilay mpamily fiara kosa lehilahy 29 taona dia notanana vonjimaika ary efa nesorina taminy ihany koa ny karatra fahazoan-dalàna mitondra (permis de conduire). Ny vatana mangatsiaka ilay zazavavy dia efa nalain’ireo fianakaviany ary ilay vatana mangatsiakan’ilay lehilahy 40 taona mbola ao amin’ny kaominina. Maro sy nisesisesy tato ho atao ny lozam-pifamoivoizana toy izao ka hamoizana ain’olona maro.
Tokony hitandrina hatrany ary indrindra ny hanaja ny hafainganam-pandeha ara-dalàna ny mpamily tsirairay avy hisorohana ny loza miseho eny amin’ny lalana.
Sitraka Rajaonarivony
