La Réunion : Manana ny toerany eo amin’ny fikarohana siantifika ny oniversite ao an-toerana
Efa 40 taona niasana ny oniversite ao La Réunion izay manana ny toerana eo amin’ny sehatrin’ny fikarohana siantifika aty amin’ny ranomasimbe indianina. Misy mpianatra 19 200 isa sy mpiasa 1 500 ao aminy ary voasokajy io oniversite lehibe indrindra aty amin’ny Outre-Mer izy.
Ny tobim-pianarana Moufia, ao Saint-Denis no tena mampalazana ny oniversiten’i La Réunion. Misy y tobim-pianarana efatra nefa ao aminy, « instituts » roa, sekoly roa ary ivon-toeram-piofanana ho an’ny mpianatra (CFA) sy rafitra ary aboratoara maromaro. Manolotra fiofanana 200 isa ihany koa ny toerana saingy ny fikarohana siantifika sy ny fizarana fahalalalana no tena lohalaharan’izy ireo.
