ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Notolorana fitaovana enti-manatsara ny asany ny zandary ao an-toerana

Nisy ny fanolorana fitaovana ho an’ireo zandary ao amin’ny kaominina Ambohimangakely, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Natolotra izany mba entina manatsara sy manamora ny asa izay hiandraiketan’ireo mpitandro filaminana, raha ny voalaza.

“Araka ny fampanantenana izay efa nataon’ny ben’ny tanàna dia natolotra ny mpitandro filaminana ireo fitaovana toa ny solosaina, ny taratasy A4 iray baoritra entin’izy ireo manamora sy manatsara ny asa izay sahanan’izy ireo” hoy ny avy amin’ny kaominina.

“Anisan’ny zava-dehibe ny fifanohanana sy ny fifanampiana tahaka izao. Ny tanjona moa dia ny hiainan’ny vahoaka am-pilaminana mba ho mandry fahalemana tokoa eto an-toerana ka mba hampisy fandrosoana” hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana.

Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy hoy ny teny malagasy. Ny fanomezana tahaka izao ihany koa dia mariky ny fifanohanana ary izany fifanohanana izany no miteraka asa izay mitondra mankany amin’ny fampandrosoana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire