ActualitésTsidika

Distrika Antsirabe II : Notolorana fankasitrahana ireo mpianatra mendrika tamin’ny CEPE

Ankizy miisa 10 mianadahy mendrika indrindra tamin’ny CEPE no notolorana marim-pankasitrahana tao amin’ny kaominina Ambatomena Antsirabe. Lelavola mahampy hividianana fitaovam-pianarana entina miatrika ny taona faha enina no natolotra azy ireo ny alatsinainy lasa teo.

«Ho famporisihana ny ankizy hilofo sy mba hampazoto azy hatrany no anton’izao fanomezana izao, eo ihany koa ny fankasitrahana ny ezaka nataony; eo ihany koa ny fanampiana ireo ray amandreny, hitantsika ny fahasahiranana misy amin’izao fotoana izao ka mifanohana sy mifanampy amin’ireo ray aman-dreny amin’ny fahatafitana ny ankizy » hoy avy eo anivon’ny kaominina. « Faly izahay satria anisan’ny hetahetanay tokoa hoe nahatafita dingana voalohany ny ankizy dia hanome fanomezana ho azy ireo dia izao nahazo fankasitrahana avy amin’ny kaominina izy ireo, ankasitrahana feno ny ben’ny tanàna » hoy i Bodo renin’ny mpianatra nahazo fanomezana ;

Anisan’ny vanim-potoana mahasahirana ny eny ambanivohitra tokoa ny main-tany tahaka izao ka mahasahirana ireo mponina. Ny fanomezana tahaka izao ihany koa anefa dia anisan’ny famporisihana ho an’ireo hafa mba hiezaka ka mahatonga fifaninana izay taratry ny fandrosoana

Miora Fiononantsoa

Laisser un commentaire