Ambohimangakely : Nihaona mivantana tamin’ny ben’ireo tanàna ao Province de Paris ny ben’ny tanàna ao an-toerana
Nihaona mivantana tamin’ireo ben’ny tanàna ao amin’ny Province de Paris ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Ambohimangakely, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Nandritra ny fivoahana amin’ny fomba ofisialy voalohany nataon’ny ben’ny tanàna no nisian’izany, raha ny voalaza.
« Nandritra ny fivoahana amin’ny fomba ofisialy izay nihaonana sy nifampiresahana tamin’ireo ben’ny tanàna ao Province de Paris, nisy ny fifampizarana traik’efa sy dinika nifanaovana mahakasika ny mety ho fiaraha-miasa isan-tsokajiny eo amin’ny roa tonta » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina.
« Zava-dehibe ny hisian’ny fiaraha-miasa avy any ivelany raha te hampandroso ny faritra iray. Anisan’ny ezaka mila ataon’ny tompon’andraikitra izany satria maro ire sehatra mila fanovana sy fampivoarana, indrindra fampandrosoana eto amin’ny kaominina » hoy i Iharantsoa, mpianatra amin’ny ambaratonga ambony.
Nanotrona izany fihaonana sy fifampiresahana teo amin’ireo ben’ny tanàna izany ihany koa moa ireo delegasiona, ny lefitra faharoa ao amin’ny kaominina ary ireo mpikambana ao amin’ny kabinetran’ny kaominina.
Manitra Ramanantsoa
