ActualitésTatitra


Maurice : Polisy iray voatazona am-ponja manoloana ny fitsoahana voafonja roa

Lehilahy roa 22 sy 27 taona, voampanga noho ny halatra miaro herisetra, no tafavoaka moramora ny tobim-polisy tao Stanley. Rehefa nojerena ny horonantsary tamin’ny « caméra de surveillance » dia hita fa ny mpiambina tamin’io andro io no tsy nandidy ny cadena amin’ny efitra nisy azy ireo.

Avy hatrany dia nosamborina io polisy io, ary nidina tao amin’ny efitra ireo lehilahy tafatsaoka. Nentina teo alohan’ny fitsarana izy taorian’izany ary nohelohina noho ny fanampiana sy famporisihana voafonja hitsaoka (Aiding and abetting a prisoner to escape). Mbola mitohy kosa nefa ny fanatsikafonana raha tsy fitandremana na firaisana tsikombakomba ny nataon’io polisy io izay marihana fa efa niasa teo amin’izany sehatra izany nandritra ny 15 taona.

Laisser un commentaire