ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Nahitana fatin-jazakely teny Ambohimahitsy

Fatin-jazakely iray no hitan’ny mponina teny amin’ny toeram-panariana fako iray teny Ambohimahitsy, kaominina Ambohimangakely, omaly. Ahiana ho zazakely nohesorina na nateraka fa novonoina izany, ka nariana, raha ny voalaza.

“Zazakely nesorina no nariana teo amin’ny toeram-panariana fako no mbola nohanin’ny alika ihany koa. Araka ny hita dia ny tapany ambany sisa no tavela. Tena mahaontsa tanteraka ny tranga tanga tahaka izao” hoy ireo nahita ny zava-nitranga.

“Tsy mendrika ekena intsony ny tranga tahaka izao. Be loatra ireo manatao foana ka tsy manome endrika ratsy ny fiaraha-monina. Tsy hay na vokatry ny tsy fahampian’ny fanabeazana na vokatry ny goragora amin’ny fampiharana ny lalàna fa ny hita sy tsapa dia mivoana amin’ny ratsy hatrany ny olona sasany” hoy i Lanto, mponina ao Ambohimangakely.

Voararan’ny lalàna ny fanalan-jaza sy ny famonoana olona eto Madagasikara ary miafara amin’ny figadrana sy ny fandoavana lamandy izany. Tato ho ato anefa dia maro ireo tranga manodidina izany niseho. Fanamavainana ny lalàna ve sa noho ny tsy fifehezana ny lalàna eto amintsika no mampirongatra izany tranga izany?

Manitra R.

Laisser un commentaire