ActualitésTsidika

Masindray : Nisy ny fitokanana ireo foto-drafitr’asa vaovao

Notanterahina tamin’ny sabotsy 30 septambra teo ny fitokanana ireo foto-drafitr’asa vita tao amin’ny kaominina Masindray. Velon-kafaliana sy fanantenana ireo mponina ao an-toerana satria nahazo foto-drafitr’asa vaovao, izay taratry ny fampandrosoana. Nisy ihany koa ny tatitry ny asa vita nandritra ny fotoana nitantanan’ny ben’ny tanàna ny kaominina, araka  ny voalaza.

“Ao anatin’ny ezaka lehibe ho an’ny fampandrosoana ataon’ny kaominina dia vita soa aman-tsara ireo foto-drafitr’asa izay najoro araka ny fangatahan’ny mponina. Hisaorana feno ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka niara-nisalahy tamin’ny fanatanterahana izany” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Efa ela niandrasana ny foto-drafitr’asa tahaka izao ny mponina. Ny rano izay fototry ny aina ka hisaorana ny tomponandraikitra nanolotra izany ho an’ny mponina. Tokony hamafisina anefa ny fanentanana ny mponina ahay hikajy sy hikolkolo izany mba haharitra satria fananana iombonana” hoy i Tahiana, mponina ao Masindray.

Lanonana goavana be moa no nentina nitokana ireo foto-drafitr’asa tao an-toerana ireo. Marihina fa fitokanana tranom-pokonolona sy fanolorana rano fisotro madio ho an’ny fokontany Tsarahonenana sy Ivoara no natao tamin’izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire