Pakistan : Mpitsabo nentim-paharazana iray nanatsatoka fantsika tamin’ny lohan’ny vehivavy bevohoka
Vehivavy bevohoka iray no tonga tao amin’ny hopitalin’i Peshawer, ao avaratra andrefan’i Pakistan niaraka tamin’ny fantsika tao anaty loha. Mpitsabo nentim-paharazana (« guérisseur ») iray no nanatsatoka izany tamin’ny lohany, raha ny voalazany.Efa niezaka nanala irery ny fantsika io renim-pianakaviana io hoy ny mpitsabo azy tao amin’ny hopitaly, Haider Khan. Nahatsiaro tena tsara izy nandritra ny nanatanterahany izany saingy nilentika 5 sanitimetra tamin’ny lohany ny fantsika ka nanano sarotra.Telo vavy ny zanak’io vehivavy io, ary naniry lahy fatratra izy satria fambara tsara ho an’ny firenena ao Asie du Sud ny fiterahana zazalahy. Nilaza tamin’ny io mpitsabo nentim-paharazana io fa raha manatsatoka fantsika amin’ny lohany izy dia ho lahy no zaza haterany.Efa karohana kosa io lehilahy nampidi-doza io renim-piankaviana io, hoy ny lehiben’ny polisin’i Peshawar, Abbas Ahsan.
