ActualitésTatitra

Péninsule Ibérique : Tratran’ny hain-tany amin’ny andro ririnina ny firenena

Misedra hain-tany goavana i Espagne sy i Portugal amin’izao vanim-potoan’ny ririnina ao an-toerana izao. Anisan’ny nitarika izany ny tsy fahampian’ny orana tamin’ny volana janoary teo. Voasokajy amin’ireo maina indrindra tao an-toerana hatramin’ny taona 2000 mihitsy izany, raha ny noalazain’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro ao amin’ireo firenena roa ireo.Nampitandrina ny ONU ny alatsinainy teo fa miakatra be tsy mbola nisy ohatran’izany ny fihafanan’ny tany. Nanazava izy fa taorian’ny taonjato iray sy tapany nampandrosoana ny toe-karena tamin’ny « énergies fossiles » dia niakatra +1,1°C ny fihafanan’ny tany raha noharina tamin’ny vanim-potoan’ny indostria teo aloha. Efa nampitombo ny hain-tany, fahamaizana (canicule), rivo-doza ary tondra-drano io fiakarana io nefa vinavinain’ny ONU fa hiakatra +1,5°C io taha io ny taona 2030.

Laisser un commentaire