ActualitésTsidika

Anjeva: Mila fandraisana fepetra ny mahakasika ireo andrin-jiro mitongilana ao an-toerana

Efa andro maromaro izao no nampitongilana ny andrin-jiro, izay manamarona ny arabe fifamezivezena ao amin’ny kaominina Anjeva. Miteraka fanelingelenana ho an’ny mponina manodidina sy ireo mpivezivezy izany. Araka ny voalaza, efa nisy ny fitadiavam-bahaolana sy ny fifampiresahana tamin’ny tomponandraikitra ao amin’ny jirama nataon’ny ao amin’ny fiadidina ny kaominina,manoloana izany.

“Efa maro ireo fampahafantarana nalefa tany amin’ny orinasa jirama ary efa fantany tokoa ny zava-misy mahakasika ny fanoloana ireo andrin-jiro mitongilana eto Anjeva, saingy tsy mbola afaka nanao ny fanamboarana izy ireo noho ny antony maro” hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

“Efa hita tokoa ny fahavoazana eo amin’io andrin-jiro io nandritra ny fijerena azy teny ifotony. Nisy hatrany ny fifampiantsoana tsy tapaka tamin’ny orisana jirama ka ny alarobia, omaly, no fotoana hanamboarana azy sy hanoloana azy ho beton” hoy hatrany ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

 Mety hitera-doza ho an’ny mponina tokoa raha tsy misy ny fandraisana andraikitra manoloana ny zava-misy tahaka izao.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire