ActualitésTatitra

Guatemala : Vakoka Maya 166 isa no nisy nangalatra

Teratany amerikanina roa antsoina hoe Salvador Rossilli, 62 taona sy Allison Jolluck, 49 taona no nosamborina tao amin’ny tanàna fizahantanin’i Antigua Guatemala. Nangalatra vakoka Maya namboarina talohan’ny fahatongavan’i Christophe Colomb 166 isa izy ireo ary tratra tao anaty fiarany izany.

Fantatra nandritra ny fampanoavana fa samy monina ao Guatemala ireo mpangalatra ireo. Nosamborina nohon’ny anisan’ny fanadihadiana momba ny fanondranana vakoka kosa izy ireo. Raha ny fanazavan’ny archéologue iray talen’ny jeneralin’ny lova ara-kolotsaina tao an-toerana dia tena izy (authentique) ny 90%-n’ireo vakoka Maya ireo.

Fantatra kosa fa efa nosamborina i Allison Jolluck ny 11 novambra teo nohon’ny fangalarany vakoka vita tamin’ny vato voasokitra vita maya ary nikasa nitsoaka ny firenena.

Laisser un commentaire