RSE : Mbola maro no tsy mahafantatra izany
Nisy ny fanadihadiana izay natao mahakasika ity RSE ity, na ny Responsabilité Sociétale des Entreprises. Mbola maro anefa ireo tsy mahafantatra izany saingy misy ihany koa ireo izay mahalala. Olona 10 amin’ny 25 eo ho eo no mbola tsy mahalala izany atao hoe RSE izany. Ilaina anefa ny mba manana fahalalana ny mahakasika izany. Ny fahafantarana izany anefa dia ahafahana mitaky ny zo amin’ny fisitrahana azy. Anjaran’ny orinasa tsirairay kosa anefa ny manatanteraka izany mba ho tombontsoan’ny olona rehetra.
« Izaho aloha mbola tsy mahalala izany RSE izany mihitsy. Raha ny fahazoako azy dia hoe andraikitry ny orinasa ny manome zavatra iray ho tombontsoan’ireo mpiasany na tombontsonan’y olona manodidina ny orinasany », hoy i Miantra mpiasa amin’ny « grande surface » iray ao Ankorondrano.
« Ny RSE dia natao ho an’ny orinasa rehetra. Na orinasa madinika izany na ireo orinasa vaventy indrindra indindra. Manana andraikitra izy hanampy ny mpiara-belona aminy satria izy dia mandray vola ihany koa avy amin’ny olona. Tamberina ho an’ireo olona izany ny RSE », hoy i Tahiana, mpisehatra tompon’ny toeram-pisakafoana ao Ambohimangakely.
Ny orinasa rehetra dia tokony hanana mpiasa misehatra anatin’ny RSE fotsiny ihany mba hijery izay tadiavin’ireo olona manodidina sy ny filàn’ny olona. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ireo mpiasa ao amin’ny orinasa rehetra izay tokony handray anjara amin’ny RSE.
Miora Raharisolo
