Tolon’omby: Hetsika ara-kolontsaina iray hahafahana miantso mpizahatany maro ihany koa
Anisan’ny hetsika ara-kolontsaina iray mampalaza ny faritra Amoron’I Mania sy I Matsiatra Ambony iny ny tolon’omby. Mahasarika olona maro hatrany ary azo lazaina ho maro mpankafy izany. Manana tanjona ny hisarika mpizahatany hankafy izany hetsika izany ny Ministera amin’ny alalan’ny fandaharana manokana izay ho hita ao amin’ny Fahitalavi-panjakana. Efa nanomboka ny sabotsy teo ziany fandaharana izany ary hisy hatrany isaky ny sabotsy faran’ny volana mialoha ny vaovao an-tsary hariva izany.
“Raha te hisintona mpizahatany amin’ireny faritra ireny dia tokony hampiroboroboana ny kolontsaina misy any an-toerana. Ho fantatra mandritra ny fandaharana ny mahasamihafa ny tolon’omby isaky ny faritra tsirairay. Ho fantatra ao anatin’izany ihany koa ny fombafomba raketiny, ny tekinikan’ny tolona omby ary ny anjara toerany ao anatin’ny kolontsaina Malagasy”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.
“Fampiroboroboana ny fizahantany no tanjona. Sady fialamboly ny tolon’omby no fanatanjahantena ka tsy hitako izay tena olana amin’ny fampidirana izany ho isan’ireo azon’ny mpitsidika an’ny Madagasikara ho sitrahina. Araka izany ary dia hisy ny “site” antsoina hoe “Tolon’omby Touristique” apetraka ao Alakamisy Ambohimaha, faritra Matsiatra Ambony. Ankoatry ny maha kolontsaina sy fialamboly ity fomba fanao ity dia velarina amin’ny fampananana asa ho an’ny tantsaha koa izany amin’izao fotoana izao. Amin’izay fotoana izay dia samy mahazo tombontsoa avokoa ny rehetra”, hoy kosa ny Ministeran’ny Fizahantany.
Tsara ny mampahafantatra fa misy ny hetsika ara-kolontsaina saika misy hitovizany amin’io tolon’omby io dia ny “rodeo” izany. Ry zareo Espaniôla no tena mpisehatra amin’izany. Anisan’ny mahasarika olona maro hatrany io hetsika io. Araka izany tsy misy maharatsy ny manasoa ny an’ny teha ho an’ny tombontsoa iombonana.
Miora Raharisolo
