Afrique de l’Est : Olona iray isaky ny 36 segondra no maty ny hanoanana
Nanao tatitra ny ONU sy ny fikambanana maromaro ny herinandro lasa teo fa olona iray isaky ny 36 segondra no maty ny ao Ethiopie, Kenya ary Somalie. Olona 18,6 tapitrisa amin’ny Sahel no misedra tsy fanjarian-tsakafo goavana raha ny fanamafisan’izy ireo. Antony kosa ny haintany, mifandray amin’ny fiakaran’ny maripan eran’izao tontolo izao sy ny fifandonana samihafa raha ny fanazavan’ny Unicef sy ny ONG Care ary ny Oxfam.
Tao Burkina Faso dia niakatra avo telo heny ny isan’ny ankizy maty tao amin’ny firenena teo anelanelan’ny volana janoary sy septambra 2022 vokatry ny tsy fandriam-pahalemana ateraky ny djihadiste. Tetsy ankilany nefa dia niakatra 50% ireo notsaboina vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo ambony (aiguë). Ao Niger kosa dia manamafy ny famokarana ny haintany sy ny fifandonana ka nampidina ny famokarana « céréalière » 40 %.
