Côte d’ivoire : Mitady orinasa hamatsiam-bola indray i Laureen Kouassi-Olsson
Vehivavy manana « CV » mahatalanjona eo amin’ny sehatry ny fampiasam-bola i Laureen Kouassi-Olsson. Mpamorona ny orinasa Birimian Ventures ao Abidjan ny tenany izay orinasa mpamatsy vola ireo marika afrikanina raitra indrindra.Nilaza izy fa te hanampy ny fidiran’ireo mpamorona afrikanina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny fanohanana ara-bola sy ara-paikady. Manohana ireo marika ireo amin’ny alalan’ny orinasany ny tenany ary mampianatra azy ireo ny zava-dehibe ny nomerika amin’izany tontolo izany. Mitady ireo orinasa manana marika raitra hoa mpiana kosa ny tenany amin’izoa fotoana.
