ActualitésTsidika

Ny Slam : Miha mahazo vahana hatrany

Poesia, tononkalo atao am-bava ny Slam raha faritana tsotsotra. Zava-kanto amin’ny endrika poetika ny Slam ary fitaovana entina maneho demokrasia. Rohy eo amin’ny asa soratra sy fampisehoana, fandrisihana ny poeta hifantoka amin’izay lazainy sy ny fomba ilazany azy.

« Voalohany indrindra ny Slam dia vava mahay manome sy sofina mahay mandray », hoy i Grand Corps Malade, izay « slameur » any France efa fanta-daza. Fomba tsotra indrindra hizarana ny asa soratra izany, hizarana ny fihetsem-po sy hilalaovana ny sari-teny, hoy izy.

Azo lazaina fa efa ela kosa io zava-kanto io no teto an-toerana, ny anarana nentiny fotsiny no hafa toy ny « sova, tokatoka, jijy ». Tany am-piandohana dia noheverina fa tsy nifanaraka tamin’ny teny Malagasy io poesia iray io. Andriamisetra, Ynemar sy poeta maro hafa no nanaporofo fa diso izany hevitra izany taty aoriana ka nampiova ny tontolon’ny Slam ka nampitombo isa azy ireo ankehitriny. Fahalalana miteny misy rima, fanehoana hevitra amin’ny endrika kanto ny Slam, fizarana ny zavatra hita na hiainana. Entina hialana voly sy hampatonitony izany.

Ankehitriny efa maro ireo Malagasy manao Slam, ireo fifaninana maro ihany koa moa manampy azy ireo hivelatra amin’io sehatra io.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire