ActualitésTsidika

Fizarana lay misy ody moka ao anatin’ny fokontany 17 932

Mbola mitoetra ho isan’ny aretina voalohany miteraka taha-pahafatesana ambony indrindra eto amintsika ny tazomoka. Mitohy hatrany ihany koa araka izany ny ady amin’ny tazomoka eto amintsika. Hirotsaka an-tsehatra amin’izany ny Minisiteran’ny fahasalamana sy ireo mpiara-miombon’antoka hoy ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka.

Isan’ireo paik’ady entina amin’izany ny fizarana lay misy odimoka maharitra any amin’ireo distrika 101 izay mbola ahitana taha-ambony amin’ny aretina tazomoka eto Madagasikara, manomboka ny volana aogositra 2021 ho avy izao hoy hatrany ny avy ao amin’ny Minisitera mpiahy.

Mahatratra 13 703 700 ireo lay misy odimoka maharitra hozaraina maimaimpoana mandritra izany ka ny PNLP no mitarika sy mandrindra ny fanatanterahana azy. Marihina fa ity no andiany faha 5 amin’ny fizarana lay faobe izay notanterahana teto amintsika. Ilaina ary tena miaro amin’ny kaikitrin’ny moka indrindra fa amin’ny alina ny lay misy ody moka, avy amin’ny moka ihany manko no iatombohan’ny tazomoka hoy ny renim-pianakaviana iray. Mpiara-miombonantoka maro no miara-misalahy sy mifanome tanana amin’izao hetsika fitsinjovana mivantana ny fahasalamam-bahoaka izao, izay ahitàna ny USAID amin’ny alalan’ny PMI (President Malaria Initiative), sy ny « Fonds Mondial de lutte contre le paludisme, le SIDA et la tuberculose » hoy hatrany ny tompon’andraikitra. Efa betsaka ny tokantrano nisitraka ny lay misy odimoka ary antenaina fa hihena ny isan’ny mararin’ny tazomoka amin’ity taona ity.

Na izany aza ilaina hatrany ny fahamalinan’ny isan-tokantrano manokana manoloana ny aretina maro mifamezivezy eto Madagasikara. Efa niainga teny amin’ny Hangar PSI Madagascar, Soavina Tanjombato, ny alakamisy lasa teo  ireo fiarabe mpitatitra ireo lay ireo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire