ActualitésTatitra

Thaïlande : Omby kely nisy tongotra enina

Tsy eto Madagasikara ihany no misy Tolotra kely. Maro ny fahaterahan’omby any amin’ny firenena hafa saingy niavaka izy tao Thaïlande.Teraka ny fiandohan’ny volana teo i Pee-Mai, omby vavy kely. Manan tongotra enina izy saingy eo amin’ny lamosiny ny roa. Aretina tsy fahitana antsoina hoe « polymélie », mpahazo omby 4 ao anatin’ny 100 000 kosa io nitarika tsy fahatomombanana ara-batan’i Pee-Mai io. Ahian’ireo mponina ao an-toerana tsy haharitra ara-pivelomana izy noho io kilemany io, saingy mbola salama tsara izy amin’izao fotoana hoy ireo mpikarakara azy.

Laisser un commentaire