SocialTatitra

Royaume-Uni : Vehivavy nanitsaka zaza ho faty, niaiky heloka hafa

Zazavavy kely 16 volana no antsoina hoe Star Hobson no nampijalian’ny vehivavy roa niaraka vavy samy vavy izay reniny niteraka azy ny iray, tao Keighley ny taona 2020 teo. Nohitsahin’ilay renikeliny antsoina hoe Savannah Brockhill, 28 taona nandra-piala ny ain’io zazakely io.Nohelohina am-ponja 25 taona i Savannah Brockhill manoloana izany, ary 8 taona kosa an-tranomaizina kosa no sazin’ilay olontiana noho ny tsy fanakanana heloka bevava.Nanambara kosa ny mpiray efitra tamin’i Savannah Brockhill, Amy Louise Cowan ny faran’ny herinandro teo fa nilaza taminy io vehivavy namono zaza io fa nandevina zaza telo hafa ao ambadiky ny tranony ihany koa. Manoloana izany dia nankahalain’ireo mpiray fonja taminy izy ary natoka-monina. Mbola tsy nandray fepetra manoloana io fanambarana io kosa ny ministera.

Laisser un commentaire