ActualitésTatitra

Italie : Namoy ny ainy i Cristian Ghilli

Tompondaka eran-tany amin’ny tifitra basy, sokajy zandriny, i Cristian Ghilli, 19 taona monja. Namoy ny ainy ny herinadnro lasa teo nandritra ny fihazana niarahany tamin’ny namany tao amin’ny ala Montecatini Val di Cecina izy. Sendra niondrika nandroaka ireo « cartouches » efa niasa teo amin’ny tany izy no nitifi-tena tsy nahy.Nentina haingana tao amin’ny hopitalin’i Cecina nihatrika fandidiana nanatrahatra ny fahaverezan-drà izy saingy lavo tamin’izany. Nanana ny naha izy sazy teo amin’ny tontolon’ny « tir » kosa i Cristian Ghilli hoy ny filohan’ny federasionina ao Italie.

Laisser un commentaire