Turquie : Olona an-jatony no maty ny horohorontany
Nisehoana horohorontany tamin’ny tanjany 7,8 eo amin’ny mari-drefy Richter tao Turquie ny alin’ny alahady hatramin’ny alatsinainy maraina tamin’ny 4 ora teo raha ny tatitry ny USGS (institut américain de géophysique). Manodidina an’i Nurdağı, ao atsimon’ny firenena no ivon’io horohorontany io raha ny fanamafisan’izy ireo ary tany amin’ny halalina 17,9 kilometatra.
Olona an-jatony no maty manoloana io loza voajanahary io raha ny fanazavan’ny USGS hatrany. Trano maro ihany koa no rava nandritra izany. Tsapa hatrany amin’ireo firenena manodidina io horohorontany tao Turquie io, anisany nahatsapa izany i Liban, Syrie ary Chypre. Marihina kosa fa firenena isany be horohorontany indrindra i Turquie. Tamin’ny faran’ny volana novambra 2022 teo dia efa manodidina ny 60 ny isan’ny naratra tao an-toerana manoloana ilay horohorontany mari-drefy 6,1.
