Orinasa afaka haba : Namafisina ny mahakasika ny fiarovana sy ny fahasalaman’ny mpiasa
Nisy ny fihaonan’ireo orinasa afaka haba miisa 12 mikambana ao anatin’ny « Groupement des entreprises franches (GEFP) ». Nivoaitra nandritra izany ny mahakasika ny fampiroboroboana ny tontolon’ny mpiasa indrindra fa ny fahasalamana sy ny fiarovana ireo mpiasa ireo na ilay antsoina hoe « sécurité et santé des travailleurs ».
« Amin’ny ankapobeny dia ratsy hatrany ny fijerin’ny olona izany asa afaka haba izany indrindra amin’ny fitondrana mpiasa. Ny tanjona tamin’ity fanamafisana sy famerenana ity resaka ity dia hahafahana manova izany fisaian’ny olona izany. Asa toy ny asa rehetra ny asa amin’ny orinasa afaka haba ary manaja ny lalàna arak’asa izay misy eto Madagasikara », hoy ny solontenan’ireo orinasa.
« Efa hiainanay anatin’ny orinasanay ny mahakasika io nifampiresahana io. Efa mahazo fitsaboana maimaim-poana izahay amin’ny alalan’ny mpitsabo ato anatin’ny orinasa. Azo lazaina ho voaaro ihany koa amin’ny loza mety hitranga mandritra ny asa. Izahay ihany koa efa mahalala fa afaka mitory raha misy tsy fanarahana izany », hoy i Mbola, mpiasa amin’ny orinasa afaka haba iray.
Hahafahana mampiroborobo ny fiarovana sy ny fahasalamana eny anivaon’ny asa, ireo mpikambana amin’ny GEFP ireo dia mangataka amin’ny fitondram-panjakana hampihatra ireo sazy ho an’ny orinasa tsy manatanteraka izany. Manentana ihany koa ny mpampiasa sy ny mpiasa amin’ny fanarahana ireo lamina rehetra napetraka ao anatin’izany lalànan’ny asa izany.
Miora Raharisolo
