Mahagaga : Karan-doha hita teo amin’ny sezan’ny mpitandrina
Nahitana karan-doha sy vovo-paty nifono lamba teo amin’ny sezan’ny mpitandrina tamin’ny fiangonana FJKM iray teto Antananarivo. Diakona vehivavy iray no fantatra fa nanao izany. Marihina fa nandritra ny fanombohana ny fotoam-pivavahana saika notarihan’ity mpitandrina ity no nahitana izany.
« Gaga aho nahita ireto fatorana zavatra tao ambanin’ny lamba fotsy be. Niantso ny manam-pahefana haingana aloha no natao » hoy ny fanazavan’ny mpitandrina. « Karan-doha sy taolana, vovo-paty, lakile ary nofonosina tamina sainam-pirenena no hita tao. Tsy misy lalàna momba ny mosavy eto amintsika. Azo atao kosa anefa ny mametraka fitarainana mba ho fiarovan-tenan’ilay mpitandrina » hoy ny Zandary.
« Nisy olana mihitsy teto amin’ny fiangonana. Niteraka lonilony mihitsy aza izany. Niafara hatramin’izao vorika famonoana ho faty ny mpitandrina izao mihitsy aza » hoy ny mpiangona iray tao amin’ity fiangonana ity. Marihina fa tranga mpahazo ity pastera ity mihitsy ny famosaviana ataon’olona tahaka izao. Avy amin’izany avokoa mantsy no nahafaty ny zanany telo ary mbola hitondrany takaitra ara-tsaina hatramin’izao.
Ny hazo avo tokoa no halan-drivotra. Mila fiarovana avy amin’ny tompon’andraikitra eo amin’ny fiangonana foibe ity mpitandrina ity.
Nicole Rafalimananjara
