Nanendry sekretera faharoa indray ny antoko Tiako i Madagasikara
Voatendry ho sekretera jeneraly faharoan’ny antoko Tiako i Madagasikara na ny TIM i Rabenirina Maminiaina Solondraibe. Mandray ny asany avy hatrany izy taorian’ny fanambarana ofisialy nataon’i Marc Ravalomanana, filohan’ny antoko TIM. Solombavam-bahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny kaominina Ambohidratrimo ny tenany no izao sady voatendry ho sekretera jeneraly izao amin’ny maha mpikambana ao amin’ny antoko politika ny tenany.
Marihina fa mitohy hatrany amin’ny asany ny sekretera jeneraly voalohany, izay efa niasa hatramin’izay. Miverina amin’ny sehatra politika indray ireto antoko mpanohitra rehefa tsy henoheno tao anatin’ny fotoana maharitra izay. Nisintaka nandinika ny raharaha politika ve sa niketrika sahady ny paika’ady amin’ny fifidianana manaraka ? « Mahavitasoa amin’ny asa nampandraiketina anao, hinoana fa hitondra fampandrosoana ho an’ny antoko sy ho an’ny firenena ny fiaraha-miasan’ireo avy ao amin’ny biraon’ny antoko TIM » hoy Fara Holinirina, mpikambana ao amin’ny antoko.
« Manamarina ny tsy fahaiza-mitatan’ireo tompon’andraikitra izao fanendrena sekretera jeneraly faharoa izao, olona iray manana ny traikefa sy faihaza-manao mahakasika izany ihany dia efa ampy misahana ny andraikitra » hoy i Njato, mpianatra ao amin’ny FDSP Ankatso. « Tsy mijanona ho an’ny olom-boafidy ihany ny fanatantrahina ny fampandrosoana fa miankina betsaka amin’ny fandraisana andrikitry ny mponina sy ny fiaraha-mientana amin’ireo olom-panjakana rehetra » hoy i Narivony, mpandinika raharaham-pirenena.
« Ampahanginana hatrany no hanatanterahina ny asa, tsy ilaina izany mila sitraka amin’ny vahoaka toy ny ataon’ny mpanao politika sasany izany » hoy i Rabenirina Maminiaina Solondraibe, solombavam-bahoaka voafidy tao Ambohidratrimo. Anisan’ireo porofo mampiseho ny fanjakana demokratika ny fijoroan’ny antoko mpanohitra eo amin’ny firenena iray, tsy tokony atao sakana ho an’ny fampandrosoana noho izany ny fitsipika tsy mitovy haterak’izany.
Izay hevitra fandravonana ka hitarika amin’ny fampandrosoana no tokony himasoan’ireo antoko politika rehetra fa tsy ny adilahy politika mamarina an-kady ny firenena. Manana anjara lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena ny antoko mpanohitra, saingy tsar any manamarika fa fanoherana mifono hevitra mitondra voka-tsoa no ilain’ny firenena avy amin’izy ireo.
Haingotiana Andriamihaja
