ActualitésTsidika

Hisokatra tsy ho ela ny birao miady amin’ny kolikoly ao Fianarantsoa

Nandritra ny fandehanana ifotony nataon’i Imbiky Herilaza, Minisitry ny fitsarana, tao Fianarantsoa teo no nanambarany fa hisitraka tsy ho ela ny tendro hiadiana amin’ny kolikoly toy ny faritra rehetra ny any an-toerana.

Miroso hatrany ny asa fanamboarana sy fanavaoana ny trano izay voatondra ho birao foiben’ny tendro hiadiana amin’ny kolikoly (PAC). Tanjona amin’izao fitetezam-paritra ataon’ny Minisitra izao ny ezaka fampandrosoana ny raharaham-pitsarana, ny ezaka fanafoanana ny kolikoly. Raha tsihahivina, ny volana septambra lasa teo no natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny fonja manaram-penitra fokontany Volamena, Kaominina Ambalakely, faritr’i Fianarantsoa, izay mahazaka voafonja maherin’ny arivo isa. Tetik’asa izay tafiditra anaty fanatanterahina ny velirano fahatelo : ady amin’ny kolikoly sy fampiarana ny fitsarana ara-drariny. Etsy andaniny ny vina napetrak’i Andry Rajoelina amin’ny tsy maintsy hahatraran’i Madagasikara ny isa 50/100 ny taona 2024.

« Sehatra iray izay tena anisan’ny anjakan’ny kolikoly ny fitsarana. mifanohitra tanteraka amin’ny voady nataon’ireo mpitsara mialohan’ny handraisany ny asa ny zava-miseho mandritra ny fanatanterahina ny asany » hoy i Fanilo, mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony. « Tanteraka mihitsy amin’izao fotoana ilay fitenenana Malagasy, ny vola no maha-lehilahy, izany hoe mikatso tanteraka ny taratasy karakarainao raha tsy misy vola any aminao, ilay vola efaina anefa tsy mirotsaka amin’ny kitapom-bolan’ny fanjakana fa mirotsaka amin’ny paosin’ny mpiasa manokana » hoy i Freddy, olona iray niharan’ny kolikoly. « Mila tonga saina amin’ny voka-dratsy ateraky ny kolikoly isika vahoaka raha toa ka tiana ny hanatanteraka ny vina napetraka namoloana izany. Miankina tanteraka amin’ny finiviana hanohitra ny ratsy no hahafahana manatratra ny isa 50/100 amin’ny taona 2024 » hoy i Dominique Rakotomalala, filoha vonjimaika ao amin’ny filankevi-pitatana « Transpareny International ».

Zava-poana ny fananganana raha toa ka ny toe-tsaina tia kolikoly no tsy foana amin’ny olona iray. Toetra zara lasa raiki-tapisaka amin’ny olombelona mantsy ny fironana amin’ny kolikoly. Misy ireo olona manana ny rariny sy ny marina no mbola miroso amin’izany ho fanatevenana ny sazy miandry ny mpifanandrina aminy. Ny tsirairay ihany dia afaka manafoana ny kolikoly fa tsy ilàna baiko avy any ambony foana. Rehefa tsy manaiky ny tsy fanarahan-dalàna isika ka mametraka ny maha tany tan-dalàna an’i Madagasikara dia foana hoazy ny kolikoly.

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire