Iza no antsoina hoe « ombiasy » ?
Olona avara-pianarana Malagasy sy mahafehy izany fahalalana malagasy izany no antsoina hoe ombiasy. Mpanasitrana nentim-paharazana eo amin’ny fiaraha-monina malagasy, mitahiry ny fahalalana ara-pomba sy ara-pivavahana ny ombiasy.
Afaka manolotra fikarakarana ara-pitsaboana, manelanelana amin’ny fanahy, maminavina ny ho avy, manao ozona ihany koa ny ombiasy ka karamaina amin’ny asany. Ny teny hoe « ombiasy » da azo adika ho olona manana ny hatsaram-panahy lehibe ka manaja sy hajaina ary natahoran’ny fiarahamonina. Mampiasa ny zava-maniry izy ireo mba ho fampifangaroana ny fifandraisana amin’ireo razana, ho fanasitranana. Mampifandray ny fiheverany amin’ny aretina sy ny fikarakarana amin’ny finoana sy ny finoanoam-poana ny malagasy, ka ny aretina, aminy, na ny fahafatesana, dia noraisiny sazy na ozona avy amin’ny zanahary.
Miankina amin’ny ombiasy ny mitady ny antony nahatonga ny aretina na izay nandefa ozona. Tsy ny sikidy akory na ny ombiasy no ratsy fa ireo olombelona mampiasa azy, na ny fanahy hitondrany azy. Marihina fa mampiasa sikidy koa, ankoatra ny ombiasy, ny mpamosavy sy ny mpanao ody ratsy.
Nicole Rafalimananjara
