Tsara ho fantatra : Misy ihany koa ny hoe « tompon-daka ratsy laza »
Matetika, indrindra fa any ivelany, anisan’ny mampidi-bola ny fandresena azon’ny mpifanina na mpilalao iray; izany hoe maro ireo olona lasa malaza na mpanam-bola be rehefa tonga tompon-daka amina sehatra na tamin’ny fifanina nataony ka hitan’ireo matihaniana amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy ireo olo-malaza fantatra amin’ny maha tompon-daka rehetra anefa fa misy ihany koa ireo mahita faty antoka mihoatra ny hiheveran-tsika azy.
Borris Becker, tompon-daka eo amin’ny filalaovana « tennis » ny lehilahy. Anisan’ny nanamarika tantara ity lehilahy ity. Aorian’i Rafael Nadal, izy no eo amin’ny laharana faharoa anisan’ny sangany, nilalao sy nanaraka fifaninana betsaka indrindra, izay efa nahazoany fandresena 19 be izao. Efa nifanandrina tamindry Ivan Lendl,Stefan Edberg, Novak Djokovic, Rafael Nadal sy ireo folo mpilalao mendrika indrindra maneran-tany izay, ka ny 80% tamin’ireo ataony ireo dia saika nahomby avokoa. In-efatra I Borris Becker no nandrombaka ny amboara tamin’ny « tournoi du Queen’s », izay nisy andry Lleyon Hewitt, Andy Roddick sy ry John McEnroe.
Na dia teo aza nefa ireo fandresena niezinezina ireo, tojo olana izy satria tamin’ity taona 2022, voaheloka higadra vokatry ny rahaharaha tsy fanefaa ny trosany izay nipetraka nanomboka ny taona 2003. Mitentina 38 tapitrisa dolara, kanefa fantatra fa bankiropitra izy amin’izao fotoana izao.
Manitra Ramanantsoa
