SocialTsidika

Ray tokony hiaro ny zanany vavy kanefa nanimba azy indray

Efa betsaka ireo miditra am-ponja noho ny resaka fanolanana kanefa mbola misy ihany ireo tsy mety fay satria mihevitra ny tsy ho tratry ny aloka ka miafinafina any ambany ravin-kazo any sy manohy foan any adalany. Tsy avelan’ny ràn’ireo tsy manantsiny tsy ho hita anefa izany, tsy vitsy tokoa mantsy ireo maty vokatry ny fanolanana izay zaza tsy ampy taona no ankamaroany. Misy aza efa tsy tahotra tsy henatra intsony fa dia ray niteraka izao mihitsy no mahavanon-doza toy ny tranga nisy tany Anivorano Taolagnaro. Lehilahy lehibe salama saina sy vatana 43 taona no nahavita nanolana ny zanany vavy naterany izay 9 taona monja. Ny olona tao an-toerana no nahatsikaritra ny herisetra ara-nofo nihatra tamin’ity zazavavikely ity ary nampandre ny polisy teo an-toerana. Voasambotra ny Alatsinainy 29 Martsa lasa teo ilay ray adala ka niakatra fampanoavana ny 01 Aprily teo. Niaiky ny zava-dratsy nataony ity rangahy tsy mifadi-trovana ity ary nambarany aza fa efa fanaony matetika amin’ity zanany vavy ity izany fanolanana izany. Mampalahelo ny tranga, fa dia nahoana loatra ? zanaka nateraka no anamparana ny filan-dratsy, tsy misy tahotra kely sy fahatongavan-tsaina akory. Ray aman-dreny tokony hitaiza sy hanabe ary hikolokolo kanefa sahy nanimba ity zanany vavy. Mendrika sazy mafy sy enjana ny toy izany ary indrindra tokony ho atao ren-tany sy ren-danitra mba ho anatra ho an’ireo izay mbola mialokaloka any ho any. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire