ActualitésTsidika

Tsy misy vahaolana intsony ve ny fampianarana ambony ?

Nidina an-dalambe nanatantraka fitokonana ireo mpianatra avy ao amin’ny ENS Ampefiloha, nilanja sorabaventy mirakitra ny fitakiana izay fototry ny fitokonana. Manodidina ny tamin’ny valo ora marina teo ho eo no efa nivorivory teny amin’ny manodidina ireo mpianatra. Niteraka fanelingelenan’ny fifamoivoizana teny an-toerana izany etsika izany, tapaka tanteraka ny lalana tamin’ny 11 ora teo ho eo. Voatery tsy maintsy nilatsaka an-tsehatra ireo mpitandro ny filaminana nandrava sy nanala ireo sakan-dalana nataon’ireo mpianatra nanatanteraka fitokonana. Etsy andaniny, manamafy hatrany ny fitakiana ireo mpampianatra mpikaroka sy ireo mpandraharaha eny amin’ny oniversite.

« Vahao ny olan’ireo mpiasa sy mpandraharaha eny Ankatso fa efa te hiverina hianatra izahay  » hoy i Idealy, mpianatra ao amin’ny ENS. « Tokony tsy nivoaka ny faritry ny sekoly ireo mpianatra, nikatso tanteraka ny asanay nanditra fahatapahan’ny lalana » hoy i Fidele, mpamily fiara fitateram-bahoaka. « Iinoana sy antenaina fa olona manam-pahendrena sy fahalalana izany mpianatra eny amin’ny ambartonga ambony izany, tsy tokony fitokonana no nanehoan’izy ireo ny fitakiana, fantatra fa tsy mahavahaolana ny fitokonana, vao maika ary izany miteraka korontana. Fifampiresahana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany no tokony natao, izay entina hanehoana hoe miavaka eny foana ny olona tarihin’ny fahalalana sy fahendrena » hoy ny tale jeneralin’ny oniversite tsy miankina iray.

Lasibatra mandrakariva ireo tanora manoloana ny fanapahan-kevitra tsy ampiheverana ataon’ireo mpampianatra sy ireo tompon’andrikitra manoloana izany. Tsy vao izao no nisy ny olana manoloana ny tsy fandoavana karaman’ireo mpisam-panjakana fa efa hatramin’izay repoblika nifandimby. Dradradradraina manerana ny nosy ny veliranon’ny fampandrosoana manoloana ny fampianarana saingy tsy hita hatramin’izao izay fiatraikan’izany amin’ny fiaianan’ny vahoaka.

Herinandro lasa izay no nijanona tanteraka ny raharaha rehetra teo amin’ny oniversite Ankatso raha tsihahivina. Fitakian’ireo mpiasa mpiandraikitra ny karama izay mbola tsy vohahefan’ny fanjakana no antony nampitsahatra tanteraka ny asa. Niteraka voka-dratsy maro teo amin’ny lafiny fampianarana ambony izany, raha tsy ilaza hafa tsy ny fanemorana indray ny fiverenana an-tsekoly.

Mateti-pihavy loatra ny fanovana ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta izay nantenaina hitondra vahaolana, ny mifanohitra amin’izany anfea ny mitranga, vao maika manatevina indray ny olana efa nisy teo aloha. Fampandrosoana ny firenena mizotra mankaiza no katsahina amin’izao fanapotehina ny hoavin’ny tanora izao ?

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire