Fanafihana teny Ambohitrimo Ambohimanga Rova
Anaty hamehana ara-pahasalamana isika izao, fa eo ihany koa ny hamehana ara-pandrim-pahalemana. Misesisesy mihitsy manko izao ny fanafihana mitam-piadiana, tsy ny mpitandro filaminana no tsy manao ny asany fa ny dahalo no efa manomboka ho fetsy. Nisehoana fanafihan’dahalo indray tany Ambohitrimo Ambohimanga Rova tamin’ny alina.
Omby efatra tao an-tanana ka omby vavy sy ombin-tsarety an’olona mpianaka no nangalarin’ireto olon-dratsy. Nirongo basy ary nandrahona ny hitifitra ireto dahalo no nizotra nianavaratra ihany nihazo an’i Langaina. Nilaza ny mponina iray tao an-toerana fa efa matetika loatra izao tsy fandriam-pahalemana izao, raha miseho ho miforitra eo anatrehan’ny dahalo isika dia hahazo vahana hatrany izy.
Tsy nanaiky lembenana ireto mponina ka nanao sakana na dia efa tena maizina aza. Voahodidina ireo dahalo ka naleon’izy ireo nanavotra ny aina ka namotsotra ireto omby. Tonga nanampy ny fokonolona ihany koa ny zandary avy eny Ambohimarina ka mora foana ny nahazo ny omby. Efa sahy ny dahalo amin’izao, fa mila sahy ihany koa ny fokonolona manafoana azy ireny. Mahazo vahana sy mahazo aina mantsy izy ireo raha mbola matahotra foana ny vahoaka mba hahafahany mangalatra izay tiany.
Nicole Rafalimananjara
