Ankadikely Ilafy : Hikatona mandritra ny 4 andro ny biraon’ny Kaominina
Nandefa filazana ny kaominina Ankadikely Ilafy fa hikatona ny birao manomboka ny Talata 26 oktobra ka hatramin’ny sabotsy 30 oktobra 2021 ho avy izao. Mitohy kosa ny asa ho an’ny fanadiovana ny tanàna sy ny fandriam-pahalemana ary ny fanomezan-dalana handevina. « Hiala sasatra kely ireo mpiasa eto amin’ny Kaominina satria na eo aza ny asa ho an’ny tanàna mba mila jerena manokana ihany koa ny tena manokana, hiverina amin’ny laoniny kosa anefa ny asa manomboka ny talata 2 Novambra izao » hoy ny ben’ny tanàna Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija.
« Izaho izao nieritreritra ny hanao taratasy ao amin’ny kaomina amin’io daty io fa soa ihany fa nisy izao fampilazana mialoha izao mba hiomanana » hoy i Gregoire, mponina ao Ilafy. « Na eo aza ny fisindana ataon’ny mpiasan’ny Kaominina dia mitohy hatrany ny ezaka efa natao hatramin’izay indrindra manoloana ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana » hoy ny mpitandro filaminana any an-toerana.
Ilaina tokoa ny misintaka kely eo am-panaovana asa mba hiverenan’ny fifantohana indray, kanefa tsy tokony hampikatso ny asa efa natomboka akory izany fa vao maika aza ho entina hanatsarana azy.
Nicole Rafalimananjara
