Mitokona indray ireo mpandraharaha eny amin’ny Oniversiten’i Toliara
Mitokona ankehitriny ny mpandraharaha eo anivon’ny Oniversite Maninday satria efa roa volana izao no tsy nandraisan’izy ireo karama teny anivon’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika. Tsy hanaiky intsony ny fanaovana tsinotsinona azy ireo mpandraharaha rehetra ao amin’ny Oniversite Toliara.
« Izahay anie mivelona tahaka ny olon-drehetra, mamelona vady aman-janaka ihany koa, raha tsy misy ny karama tsy mihinana izahay kanefa mbola hiasa ihany ve ? » hoy ireo mpiasa. « Maro ny tombontsoa hafa tokony ho nositrahanay kanefa tsy azo hatramin’izao, eo ihany koa, , 2 taona ihany koa no tsy nianatra ireo vao afaka bakalorea ny taona 2020 » hoy hatrany izy ireo.
« Lanilany fahatany amin’ny rendrarendra ny vola hany ka ny fanabeazana sy ny fampianarana ny zaza Malagasy no mitondra faisana » hoy i Jacquis, mana-janaka mianatra any Toliara. « Tsy fantatra mazava ny famoaham-bola ataon’ny fanjakana, volam-bahoaka anefa izany ka tokony tsy hanaiky izany hatramin’ny farany isika, ilaina ny mangarahara » hoy ny avy ao amin’ny antoko mpanohitra.
Efa saika matetika ny fitokonana eny anivon’ny anjerimanontolo, raha tsy ireo mpiasa no migrevy dia ny mpianatra na ny mpampianatra mihitsy. Efa hit ave ny lesoka kanefa mbola miverina foana ny toy izany ?
Nicole Rafalimananjara
