Alasora : Tsy azo anariana rano maloto ny tatatra
Manome fampitandremana ankehitriny ny avy ao amin’ny Kaominina Alasora ny amin’ny tsy tokony anariana rano maloto any anaty tata-bahoaka. Manimba ny fotodrafitrasam-bahoaka mantsy izany no sady misy fiatraikany amin’ny fahasalamam-bahoaka ary ihany koa manimba ny tontolo iainana.
« Mila ahatsahatra tsy misy hatak’andro ny fanariana rano maloto ao anaty tata-bahoaka fa raràn’ny Kaominina noho ny fiatraikany maro amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Alasora. « Fa atao inona izany ny tatatra ? » Hoy ny fanontanian’ny maro. « Nandalo tokoa ireo tompon’andraikitra, ary mazava koa ny lalàna, fa hitako misy fahasarotany ihany, indrindra ho an’ny tokatrano tsy manana tokotany hanaovana ilay fivarinan-drano, ho an’izay manana indray rehefa fahavaratra na feno io tsy maintsy hivarina amin’izay hivarinany ka ho tonga amin’ny tatatra ihany, tsy maintsy hiparitaka amin’ny samy mpiray vodirindrina ihany koa raha feno loatra » hoy i Tsivery, mponina any an-toerana.
« Mila omena fotoana malalaka ny olona fa tsy avy hatrany dia didy midina tahaka izany, iaraha-mahalala manko ny fahasahiranana naterakin’ny krizy teo ary hanatsara ny tananàna rahateo no tanjona » hoy i Fanoela, mpandinika mikasika ny toe-karena. Ranon’orana ihany izany sisa no ilàna ny tatatrin’ny Kaominina ka tokony hisy ny vahaolana ho an’ny rano maloto manokana apetraka any an-toerana. Olom-bitsy ihany no manana fahafahana hanamboatra ny fanariana rano maloto azy manokana kanefa ny avy amin’ny tokantrano rehetra izany.
Ilaina ny fanavaozana eo amin’ny Kaominina satria ny Kaominina mahatoky ny fahendren’ny vahoaka ary ny vahoaka etsy an-kilany mahatoky ny Kaominina.
Nicole Rafalimananjara
