SocialTatitra

Japon : Ny Ikebana, zava-kanto amin’ny voninkazo

Zava-kanto hampiainana ny voninkazo ny Ikebana. Zava-kanto nentin-drazana ao Japon izy io, nifototra tamin’ny “composition florale”. Tany ampiandohana dia tsotra dia tsotra ny Ikebana, natao tamina tahom-boninkazo vitsivitsy sy ravin-kazo. Nantsoina hoe kuge (供華) izy tamin’izany.Nivoatra kosa izy ka nanomboka ny taon-jato dimy ambin’ny folo dia nisy torolàlana mihitsy ny fanatanetrahina azy. Nisy boky nivoaka mihitsy ho fanoroana izany, ny an’ilay mpanoratra Sedensho no ela indrindra tamin’ireo, mandrakotra ny taona 1443 hatramin’ny 1536. Lasa nanan-danja teo amin’ireo lanonana nentin-drazana sy ny fampirantiana izy.

Laisser un commentaire