SocialTatitra

Australie : Ny « taïpan du désert » no bibilava an-tanety mahery poizina indrindra

Ao amin’ny fianakavian’ny bibilava “Elapidae” na ireo karazana bibilava sady afaka miaina an-tanety sy an-dranomasina ny «Taïpan du désert». Miloko volontany ity biby ity ary mety mihamatroka arakaraka ny vanim-potoana izy. Mazava kokoa ny odiny amin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra sy ririnina, nanampy azy amin’ny fahazoana hafanana kokoa izany rehefa mangatsiaka. Mifangaro kosa ny loko ao amin’ny lamosiny sy ny lohany ary ny rambony. Miloko mainty ny masony, ary salantsalany ny habeny. Mirefy 2 metatra eo kosa ny halavany.Misy poizina ity bibilava ity, anisan’ireo mahafaty indrindra maneran-tany ny poizina avoakany noho izy haingam-piasa indrindra. Avy zato heny ny poizina avoakan’ny crotale diamantine ary avo 25 heny mihoatra ny an’ny cobra ny poizin’ity bibilava ity. Mpihinan-kena ny Taïpan, vorona kely sy voalavo na totozy no tena hoaniny.

Laisser un commentaire