Social

Fetin’ny mpifankatia : Mizarazara ny hevitra

Iza tokoa moa no tsy mahalala ny andron’ny 14 febroary fa hoe fetin’ny mpifankatia. Maro no mankalaza izany toy ny fitsangatsanganana miaraka amin’ny olon-tiana na fiarahana misakafo na fihaonana fotsiny ihany, hanolorana fanomezana ho an’ny olontiana. Tsy vitsy koa anefa ireo tsy mankalaza fa milaza ho fety foana isan’andro ka tsy midika inona io andro io. Fetin’ny Masindahy Valentin ny 14 febroary izay nosokajin’ny Katolika ho olomasina mpiaro ny mpifankatia nanomboka ny 1494. Tokony ho hita taratra eny amin’ny mpifankatia foana izany fifankatiavana izany fa tsy hoe isaky ny andro toy izao ihany. 

Nicolole Falimanajara

Laisser un commentaire